Voakasik’ity fepetra ankapobeny momba ny varotra ity avokoa ireo tolotra rehetra omen’ny trano fisakafoana. Midika faneken’ny mpanjifa ity fepetra ity ny fanaovana famandrihan-toerana.
Ireo fepetra manokana nifanarahana sy nifanaovan-tsonia tamin’ny mpanjifa ihany no afaka manampy, na manamafy, na manafoana ity fepetra ankapobeny momba ny varotra ity.
Amin’ny Ariary (MGA) TTC no anehoana ny saram-bidy, saingy ho fampahafantarana dia ampiarahina eo koa ny tetibidy amin’ny Euros (izay kajiana arakaraka ny taham-pifanakalozana ny androtr’iny). Isan’olona kosa ny saram-bidy ho an’ny sakafo.
Mahakasika ny fanofana manokana ny efitrano fisakafoana na ny tolotra momba ny fahandroan-tsakafo (prestations Traiteurs) dia arakaraka ny zavatra ilain’ny mpanjifa ny sarany.
Ny saram-bidy amin’ny fotoana hanaovana ny famandrihan-toerana no ampiharina. Na izany aza, raha mihoatra ny telo volana mialoha ny daty ilàna ny tolotra ny fotoana nanaovana ny famandrihana dia zon’ny Marais Restaurant ny manavao ny saram-biby.
Anjaran’ny mpanjifa ny manapaka amin’ny fotoana hanaovany famandrihan-toerana raha mety aminy na tsia ny saram-bidy. Tsy ho raisina sy tsy ho ekena ny fandavana na fiadiana varotra amin’ny vidin’ny tolotra aorian’ny fotoana hanaovana ny famandrihan-toerana.
Raisina an-tanana ary raiketina avy hatrany ny famandrihan-toerana, ankoatra ny fety/fankalazana manokana izay tsy ho raiketina raha tsy aorian’ny fahazoana ny ampaham-bola 30% amin’ny saram-bidin’ny tolotra, izay tsy maintsy aloa fara fahatarany 72 ora mialoha ny daty hangatahana ilay tolotra manokana.
Raha tsy voaray an-tanana sy tsy voavory ny vola amin’ny ampaham-bola mila aloa dia tsy afaka hanamafy ny famandrihan-toerana ny trano fisakafoana, ary tsy afaka hiantoka ny fanatanterahana ny tolotra.
Ho fiantohana ny kalitaon’ny tolotra sy ho famaliana araka izay tratra ny filan’ny mpanjifa dia tsy maintsy ampahafantarin’ny mpanjifa, fara fahatarany telo andro mialoha ny daty hanomezana ny tolotra, ny tena safidiny farany. Dila io fe-potoana io dia tsy afaka miantoka ny fisian’ny sakafo na divay sasantsasany ao anatin’ny tolotsakafo (menu) ny trano fisakafoana.
Tsy maintsy manamafy ny isan’ny olona hasaina sy izay safidiny amin’ny sakafo ny mpanjifa fara fahatarany 48 ora mialoha ny daty hanomezana ny tolotra.
Tsy maintsy manamafy ny famandrihan-toerana nataony ny mpanjifa fara fahatarany 72 ora mialoha ny daty hanomezana ny tolotra.
Raha fety/fankalazana manokana kosa ary manoloana ny isan’ny toerana izay voafetra ihany, dia tsy maintsy manaja ny fe-potoana nomena hahafahany manafoana ny famandrihan-toerana nataony ny mpanjifa, ary tsy hisy ny famarenana ny ampaham-bola naloa tamin’ny famandrihan-toerana. Araka izany, ampirisihina indrindra ny mpanjifa mba ho tapa-kevitra tsara amin’ny safidiny mialoha ny hanaovana ny famandrihan-toerana.
Na izany aza, misokatra amin’ny fifampiresahana ny trano fisakafoana raha misy fanafoanana tsy maintsy atao noho ny antony tsy azo anoharana.
Amin’ny andro hanomezana ny tolotra dia tokony ho tonga ao amin’ny trano fisakafoana amin’ny ora voatondro sy nifanarahana ireo olona nasaina. Raha misy fahatarana dia hiantso ny mpanjifa nanao ny famandrihan-toerana aloha ny trano fisakafoana, ary aorian’izay dia azony atao ny manome olon-kafa ny toerana nofandrihana raha mihoatra ny adiny iray ny fahatarana.
Tsy horaisina intsony ny fanamarihana mikasika ny fizotran’ny tolotra nomena aorian’ny andro hanomezana izany tolotra izany.
Tokony hanana fiantohana mialoha mifandraika amin’ny andraikitra sivily ny mpanjifa ho fiarovana azy amin’izay mety ho fahasimbana na fanelingelenana ataon’ny olona nasainy mandritra ny andron’ny fety/fankalazana, na fanelingelenana mpanjifa hafa eo an-toeana amin’io fotoana io, na fahasimban’ny fitaovan’ny trano fisakafoana. Ny mpanjifa nanao ny famandrihan-toerana irery ihany no tompon’antoka amin’izay zavatra mety ho very, na vaky na simba noho ny zavatra nataon’ny olona nasainy tamin’ny fananana sy fitaovan’ny trano fisakafoana na tamin’ireo entana nofaina nomena ampiasainy.
Ny trano fisakafoana dia tsy tompon’antoka velively amin’ny fahasimbana na fahaverezana zavatra sarobidy, paoketra, fitoerana antontan-taratasy, akanjo… an’ireo olona nasaina. Na izany aza, hanampy ny mpanjifa ny trano fisakafoana raha misy trangana halatra niseho teo an-toerana.
Raha manao famandrihan-toerana efa misy safidy mazava dia azon’ny mpanjifa atao ny mandoa avy hatrany ny saram-bidin’ny tolotra amin’ny alalan’izay fomba fandoavam-bola mety aminy amin’ireo haroson’ny trano fisakafoana. Raha misy kômandy fanampiny dia aorian’ny fanomezana ny tolotra ny faktiora sy ny fandoavana izany.
Azon’ny mpanjifa atao koa anefa ny mandoa manontolo ny saram-bidy amin’ny fotoana hanomezana ny tolotra.
Tsy maintsy mandoa manontolo ny saram-bidin’ny tolotra rehetra nomena ny mpanjifa.
Zon’ny trano fisakafoana ny manaiky na mandà ny fampiasana « voucher » na « bons d’échange » izay tsy azo ampiharina raha tsy amin’ireo orinasa izay efa nifampiraharaha taminy mialoha.
Raha izay no mitranga dia anjaran’ny orinasa izay mikarakara izany ny manome ny trano fisakafoana ny « voucher » mifanaraka amin’ny kômandy. Tsy azo ekena ny fanovàna io « voucher » io raha tsy misy fanomezan-dalana mialoha avy any amin’ny mpitantana ny trano fisakafoana. Tsy maintsy aloa eo an-toerana ny androtr’iny ihany ireo tolotra na kômandy rehetra nihoatra (na ireo antsoina koa hoe “extras”).