Marais

  • Daty sy ora
  • IREO SAKAFO SAFIDINAO
  • Ny mombamomba anao

Hetsika ato ho ato

Daty

Misafidiana daty

Ora

Ora

Misafidiana ora

Isan'ny toerana fandrihana

Ampidiro ny isan'ny toerana fandrihana
Latsaky ny 10 ny isan'ny toerana azo fandrihana

Saran'ny fananterana ny sakafo: 10.000 Ariary

Maimaim-poana ny saran'ny fananterana ny sakafo raha mihoatra ny 100.000 ariary ny sakafo hafaranao.

Daty

Veuillez choisir une date s'il vous plait!

Ora hanaterana ny entana

Ora hanaterana ny entana

Veuillez selectionner l'heure s'il vous plait!

Ny mombamomba anao

Le champ nom ne peut pas être vide.
Le champ prénoms ne peut pas être vide.
Le champ téléphone ne peut pas être vide. Le numéros téléphone est invalid

Naoty (Tsy voatery)

ny fepetra akapobeny momba ny varotra
Tsy maintsy mamaky sy manaiky ny fepetra akapobeny momba ny varotra ianao

Mpahandro matihanina

Ny tantarany

Mpahandro matihanina Malagasy, nampianan-tena, i Lalaina Ravelomanana. Tsy mikoso-maso ny lehilahy ary miezaka foana manome ny tsara indrindra hatrany. Mpahandro matihanina sangany sy kalaza indrindra eto Madagascar izy, mpianatr’i Auguste Escoffier, ary efa nandrombaka amboara maneran-tany miisa 9. Tamin’ny taona 2010 dia izy no Mpahandro matihanina afrikanina voalohany voaantso hanatevin-daharana ny Akademia fanta-daza Frantsay momba ny hainahandro (Académie Culinaire de France). Izy no angady nananana sy vy nahitana ny trano fisakafoana tsy manan-tsahala, manandratra ny haify, Le Marais.

Fanamby manan-tantara

Nanapa-kevitra ny handray anjara amin’ny fiadiana ny Tompondaka maneran-tany momba ny hainahandro, fantatra amin’ny anarana hoe International Catering Cup, i Lalaina rehefa nanana traikefa mihoatra ny 11 taona tao amin’ny trano fisakafoana malaza indrindra teto Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara. Ity fifaninanana hainahandro iraisam-pirenena ity moa dia miompana amin’ny haify avo lenta, izay hitsarana ny famoronana sy fanamboarana sakafo mendri-kaja sy tena miavaka amin’ny alalan’ny karazan-tsakafo efatra sy ny fahaizana mampiranty ireo sakafo aroso. Herintaona no tsy maintsy nanomanana ity fifaninanana ity sy nitadiavana mpanohana.

Tafaray ny tia sy ny manina

Tamin’izany indrindra no nihaonan’i Lalaina Ravelomanana tamin’i Alexandre Guerrier, Christophe sy Delphyne Dabezies, izay mpandraharaha teratany frantsay telo, mavitrika sy feno fandavan-tena, efa nonina teto Madagascar hatramin’ny faraparan’ny taona 1990, ary mpisehatra manokana amin’ny fanamboarana akanjo ho an’ireo Orinasan-damaody lehibe fanta-daza maneran-tany. Izy ireo koa no mpanorina ny Orinasa Rova Caviar Madagascar, izay vao nitsangana tsy ela, mpamokatra kaviara voalohany aty Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana.

Amboara amin’ny fikatsahana ny tsara indrindra

Mitaky asa sy ezaka mafy amin’ny fikarakarana sakafo feno haingitraingitra azo avy amin’ny karazan-trondro « truite » ity fifaninanana sangany, izay atao mandritra ny « Sirha » an’ny Mpahandro matihanina ao Lyon ity. Tsy misy an’ity karazan-trondro « truite » ity anefa eto Madagasikara… Ka i Delphyne, Christophe sy Alexandre no nampahafantatra azy ny tontolon’ny “esturgeon”. Ity farany izay trondro efa nisy an-tapitrisan-taona maro, ary efa tsy zoviana intsony amin’ny vokatra “caviar” azo avy aminy. Am-bolana maro no nihosonan’i Lalaina akaiky tamin’ity biby ity mba hianarany ny fikirakirana sy fikarakarana ity sakafo tena isan’ny mihaja indrindra ity. Tanehana amin’ny afo malefaka dia malefaka mandritra ny ora maro, na ahandroina amin’ny entona, na atao anaty lafaoro…. Ireo rehetra ireo dia asa niharo fikirizana izay nampisondrotra sy nanandratra an’i Sefo Lalaina ho eo amin’ny laharan’ireo andrarezina.

Tratra ny fanamby

Tamin’ny taona 2015 dia nahazo ny loka “Fampirantiana hainahandro tsara indrindra maneran-tany” (Plus Beau Buffet du Monde) nandritra ny International Catering Cup i Lalaina Ravelomanana. Mbola nanamafy io mari-pankasitrahana io koa ny nitsongana azy ho isan’ireo mpanazatra na coach tamin’ny taona 2017, sy ny nananganany ekipa hiakatra hiady amin’ny dingana famaranana. Izany fanamby mikendry sy mizara ny tsara indrindra izany hatrany no nitari-dalana an’i Lalaina amin’ireo tetikasany hoavy.

Hijery ny lalana nodiaviny