-
2004
Amboara tamin’ny fifaninanana “KALOU D’OR” ho an’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana
-
2006
Nahazo ny loka « NORGE » momba ny fahaiza-mamorona nandritra ny fiadiana ny amboara « Trophée Passion » tany Paris/ Akademia Frantsay momba ny hainahandro
Filohan’ny kômity mpitsara : Pierre Gagnaire -
2007
Amboaran’ny Tsindrin-tsakafo nandritra ny fifaninanana hainahandro, Madagasikara
-
2008
Amboara « LAPOSTOLLE » tamin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany momba ny hainahandro sy ny mofomamy tao Paris/ Akademia Frantsay momba ny hainahandro, Paris
Filohan’ny kômity mpitsara : Thierry Marx -
2009
Vahiny manokana nasaina tamin’ny Tranoben’ny Asa momba ny sakafo, tao Niort, Frantsa
-
2010
Teratany Afrikanina voalohany voaantso hanatevin-daharana ny Akademia Frantsay momba ny hainahandro, nandritra ny fiadiana ny amboara « Trophée Passion »
Filohan’ny kômity mpitsara : Thierry Marx -
2012
Nahazo ny loka voalohany tamin’ny Fifaninanana boky toronahandro Afrikanina/ Tsara indrindra maneran-tany/ PARIS (Boky toronahandro Lartistika)
-
2013
Mpifanandrina tamin’ny dingana famaranan’ny fifaninanana « Toque d’Or Mondiale” tao Toulouse/ Akademia nasiônaly momba ny hainahandro
Filohan’ny kômity mpitsara : François Adamsky -
2014
Nahazo loka tamin’ny Fifaninanana Boky toronahandro mihaja/ Natao tao Beijing, Japana (Boky toronahandro Lartistika)
-
2015
Nahazo loka tamin’ny fifaninanana « Fampirantiana ireo sakafo aroso tsara indrindra » (Plus Beau Buffet Traiteur) / Fiadiana ny Tompondaka maneran-tany momba ny hainahandro / nandritra ny Fampirantiana SIRHA tao LYON
Filohan’ny kômity mpitsara : Fréderic AntonNibata ny amboara tamin’ny fifaninanana CYEA ho an’ireo tanora mpandraharaha tamin’ny taona 2015/ JCI Madagascar
Nahazo ny amboara Fankasitrahana ny asa mendrika (Trophée de l’Excellence) tamin’ny taona 2015/ Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra
Mpikambana manan-danja ao amin’ny « Toque Blanche du Monde »
-
2017
Mpitarika ny ekipa Malagasy nandritra ny lalao famaranana hiadiana ny Tompondaka maneran-tany momba ny hainahandro tamin’ny taona 2017/ICC/nandritra ny SIRHA tao Lyon
-
2018
Ambasadaoron’i « ROVA CAVIAR MADAGASCAR »
-
2019
Nahazo ny “Fourchette d’Or 2020”/ Federasiona manerantanin’ny Fizahantany
Ambasadaoro no sady Mpitsara iraisam-pirenena nandritra ny Fifaninanana Haify tsara indrindra aty amin’ny Toerampitrandrahana (Best of Gastronomy), tamin’ny taona 2019, tao Frantsa -
2020
Fandraisana am-boninahitra azy ho isan’ny mpikambana ao anatin’ny « Les Toques Françaises »,
Fandraisana am-boninahitra azy ho isan’ny mpikambana ao anatin’ny « Toque Blanche du Monde »
Fanamarihana : Voatery nahemotra ity hetsika ity noho ny COVID-19.
1. Ireo dingana nodiaviny
-
1998
Sefo mpahandro tao amin’ny Vakona Forest Lodge, Andasibe, Madagasikara
-
2001
Sefo mpahandro mpampiofana tao amin’ny Relais de la Reine, Isalo, Madagasikara
-
2002
Sefo mpahandro lefitra tao amin’ny Hôtel Colbert, Antananarivo, Madagasikara
Sefo mpahandro tao amin’ny Le Petit Verdot, Antananarivo, Madagasikara -
2002 - 2013
Sefo mpahandro tao amin’ny La Varangue, Antananarivo, Madagasikara
-
2013
Sefo mpahandro mpanolontsaina tao amin’ny Ravintsara Wellness Hôtel, Nosy Be, Madagasikara
-
2014
Sefo mpahandro sy Mpitantana ny trano fisakafoana Côté Saveurs, Antananarivo, Madagasikara
-
2015
Fananganana ny “Lartistika Traiteur”, Antananarivo, Madagasikara
-
2016
Fananganana ny “Cuisine & Passion”, Antananarivo, Madagasikara
-
2019 mandrak’androany
Fananganana ny trano fisakafoana manandratra ny haify MARAIS RESTAURANT ANKORONDRANO
2. Ireo traikefany eo amin’ny tontolon’ny asa
-
Fikarakarana sakafo ho an’ireo olona voatokana na VIP nandritra ireo Fampirantiana maro samihafa teto Madagasikara (FIM, ENJOY, Salon de l’Auto, Salon de l’Habitat)
-
Fikarakarana sakafo ho an’ireo olona voatokana na VIP nandritra ny Fihaonamben’ny mpampiasa lalana (Congrès de la route)
-
Fikarakarana sakafo ho an’ireo olona voatokana na VIP nandritra ny Fampirantiana momba ny harena an-kibon’ny tany
-
Sakafo hariva manandratra ny haify / Sakafo miranty maro isafidianana manandratra ny haify (tao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika / ny Primatiora / Ministera /Masoivoho, sns)
-
Vahiny manokana nasaina tamin’ny Tranoben’ny Asa momba ny sakafo, tao Niort, Frantsa
-
Vahiny manokana nasaina nandritra ny Tranoben’ny Asa momba ny sakafo, tao Niort, Frantsa Mpahandro sakafo mandritra ny hetsika miavaka eny anivon’ireo orinasa/vondrona goavana eto Madagascar (raha tsy hilaza afa-tsy ny TELMA, Air Madagascar, Orange, Ericsson, CCIA, STAR, VIMA, Banky iraisam-pirenena, Banky Foibe, Vondrona erôpeanina, Masoivohon’i Frantsa, IFM, sns.)
-
Mpahandro sakafo tamin’ny hetsiky ny OSDRM (Fondation Aga Khan Madagascar)
-
Hetsika Emporium Gourmet & Groupe Indigo, Nosy Maorisy
-
Seminera momba ny hainahandro tao amin’ny Labourdonnais Waterfront & Suffren Hôtel, Nosy Maorisy
-
Sakafo hariva manandratra ny haify tao amin’ny La clef des Champs, Nosy Maorisy
-
Fanokafana ny « Café Baudelaire » tao amin’ny Ivonkolo Frantsay (Institut Français) ao Maorisy
-
Fanokafana ny "Le Hoche" ao Frantsa - Paris
-
Fanokafana ny trano fisakafoana La Petite Cour La Corniche, Mahajanga
-
Sakafo miranty maro isafidiana manandratra ny haify tao amin’ny Golf du Bassin Bleu, Nosy La Réunion
-
Sakafo hariva manandratra ny haify tao amin’ny Le LUX, La Réunion St Gilles
-
Herinandron’ny Tsiro sy Fanehoana fahandroan-tsakafo mivantana niaraka tamin’ny Lehiben’ny mpanatanteraka ao amin’ny vondrona Bocuse sy ny Sefo mpahandron’ny Mendo
-
Fiofanana tao amin’ny Potel & Chabot, Frantsa
-
Fiofanana tao amin’ny Manoir de la Boulaie 2 Michelin, Nantes
-
Fandalovana tao amin’ny Lapan’ny Elysée (nandritra ny fanazarantena tamin’ny fiadiana ny Tompondaka maneran-tany momba ny hainahandro 2015)
-
Fampisehoana nandritra ny Fampirantiana momba ny sôkôlà (Salon du Chocolat) tao Paris
-
Vahiny manokana nasaina tamin’ny Fankalazana ny hainahandro sy ny haify tao amin’ny Nosy La Réunion
-
Vahiny manokana nasaina nandritra ny Tranoben’ny Asa momba ny sakafo, tao Niort, Frantsa
-
Fandraisana anjara sy fanehoana fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny haify tao amin’ny CARLTON Madagascar / Le Louvre Madagascar / Le Kudeta Madagascar
-
Fankalazana ny Alin’ny Mpandraharaha, tao amin’ny Nosy Maorisy
-
Mpanolotsaina : torohevitra, fampiofanana, famolavolana, asa famoronana, karazan-tsakafo aroso, fandraisana mpiasa vaovao
-
Mpikarakara ny hetsika Tranoben’ny Asa momba ny sakafo voalohany teto Madagasikara (Mpahandro sakafo 60 avy amin’ny sehatra maro samihafa no nandray anjara)
-
Mpamorona ny Fifaninanana Lehibe momba ny nahandro sy ny fanaovana mofomamy (Grand Prix Lartistika)
-
Fanaovana sy fikarakarana sakafo hariva, indray miserana, manandratra ny haify, any amin’ireo toerana tsy mahazatra eto Madagasikara
-
Hetsika nokarakarain’ny Kaonfederasiona afrikanina amin'ny baolina kitra (CAF)
-
Vahiny manokana nasaina nandritra ny « Festival La Paulée » Prince Maurice, Nosy Maorisy
-
Fampisongadinana / Fanandratana ny haify Malagasy tao amin’ny « Hôtel Labourdonnais », Nosy Maorisy
-
Fampisongadinana / Fanandratana ny Rova Caviar Madagascar, “Fanokafana ny trano fampirantiana” ao Mantasoa, Madagasikara
-
Fampisongadinana / Fanandratana ny Roca Caviar Madagascar nandritra ny Hetsika SIRHA Lyon 2019
-
Hetsika momba ny hainahandro miaraka amin’ireo Mpahandro matihanina maro samihafa eto Madagasikara
-
Mpamorona ny hetsika « La plus grande buche d’Afrique » (270 m / ankizy sahirana ara-pivelomana 5700 isa)
-
Nampiranty sy nitokana ny Hakanto Contemporary, niaraka tamin’i Joël ANDRIANOMEARISOA
-
Sefo mpahandro faha-2 tamin’ny hetsika « AFRIKFESTIFOOD » natao tany Suisse, izay nampivondrona ireo mpahandro kalaza 10 tonga voalohany avy aty Afrika.