Marais

  • Daty sy ora
  • IREO SAKAFO SAFIDINAO
  • Ny mombamomba anao

Hetsika ato ho ato

Daty

Misafidiana daty

Ora

Ora

Misafidiana ora

Isan'ny toerana fandrihana

Ampidiro ny isan'ny toerana fandrihana
Latsaky ny 10 ny isan'ny toerana azo fandrihana

Saran'ny fananterana ny sakafo: 10.000 Ariary

Maimaim-poana ny saran'ny fananterana ny sakafo raha mihoatra ny 100.000 ariary ny sakafo hafaranao.

Daty

Veuillez choisir une date s'il vous plait!

Ora hanaterana ny entana

Ora hanaterana ny entana

Veuillez selectionner l'heure s'il vous plait!

Ny mombamomba anao

Le champ nom ne peut pas être vide.
Le champ prénoms ne peut pas être vide.
Le champ téléphone ne peut pas être vide. Le numéros téléphone est invalid

Naoty (Tsy voatery)

ny fepetra akapobeny momba ny varotra
Tsy maintsy mamaky sy manaiky ny fepetra akapobeny momba ny varotra ianao

Ny trano fisakafoana

Fahaterahan’ny toerana sy hainahandro tsy manampaharoa

Ny 15 avrily 2019 dia nanokatra ny trano fisakafoana Le Marais i Lalaina, niaraka tamin’i Delphyne sy Christophe ary Alexandre. Tafaray ny tia sy ny manina satria tena samy mahasarotiny azy ireo ny pitsopitson-javatra sy ny fikatsahana ny tsara indrindra ; ary izy ireo rahateo dia samy olona manana hafanam-po hihoitra fanamby lehibe, ka nahatonga azy ireo nanangana trano fisakafoana tena miavaka amin’ny sakafo aingitraingitra, izay lasa reharehan’i Madagasikara tao anatin’ny volana vitsy monja. Mifampitafa ao amin’ity trano fisakafoana ity ny haify frantsay sy ny haren’ny vokatra Malagasy. Fanamby tsy manampaharoa mifototra amin’ny maha-olona no nataon’i Lalaina, ary safidiny manokana ny hanome lanja ireo mpamokatra eto an-toerana sy hanome fiofanana momba ny hainahandro miavaka ho an’ireo izay tena liana sy mankafy izany. Nosafidiana manokana ho lakozia misokatra ho hitan’ny rehetra ny lakozian’ny Le Marais satria tsy misy ny afenina ary fifampizarana no tanjona. Tsy tia zavatra an-kinafinafina sy amboarimboarina raha i Sefo Lalaina ; ny fikirizana hanao ny tsara indrindra hatrany no imasoany, ary ny fanandratana ny haify Malagasy amin’ny toerana tonga lafatra tsy mbola fahita hatrizay.

Famoronana mifanjohy amin’ny Rova Caviar

Tena miavaka ny asa famoronana ary ampiasana ireo fangaro sarobidy indrindra, raha tsy hilaza afa-tsy ny lavanilan’i Madagasikara, ny dipoavatra dia, ny foie gras, ny kakaô tsy mifangaro… ary ny Rova Caviar Madagascar tsy manampaharoa. Ity farany moa dia caviar ambony kalitao vokarina ao anatin’ny fanajana tanteraka ny natiora. Aroso amin’izao, haingoina voninkazo, na ampiarahina amin’ireo sakafo lafatra indrindra… tsy misy fetra ny aingam-panahy famoronana eto. Toronahandro efa ho 60 mahery, izay ampiasana ny Rova Caviar, no atolotr’i Sefo Lalaina.

Sambany teo amin’ny tantara

Rova Caviar Madagascar no vokatra caviar voalohany avy aty Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana. Ho an’i Sefo Lalaina manokana dia tena reharehany ny nahafahany nikirakira sy nikarakara ity vokatra tsy fahita andavanandro ity nanomboka hatrany amin’ny famokarana azy; ny nahafahany nikaroka sy namolavola ny fomba hampirantiana sy hanehoana azy; namoaka sy tsy nanimba ilay tsirony sy hani-dranomasina misy iôda ao aminy; ary nampisongadina ny fipoahan’ireo voany sy ny faharetan’ny tsirony am-bava. Nitondra ainga vao sy nampitombo ny fiandrianan’ny haify Malagasy ny caviar an’i Madagasikara.