Marais

  • Daty sy ora
  • IREO SAKAFO SAFIDINAO
  • Ny mombamomba anao

Hetsika ato ho ato

Daty

Misafidiana daty

Ora

Ora

Misafidiana ora

Isan'ny toerana fandrihana

Ampidiro ny isan'ny toerana fandrihana
Latsaky ny 10 ny isan'ny toerana azo fandrihana

Saran'ny fananterana ny sakafo: 10.000 Ariary

Maimaim-poana ny saran'ny fananterana ny sakafo raha mihoatra ny 100.000 ariary ny sakafo hafaranao.

Daty

Veuillez choisir une date s'il vous plait!

Ora hanaterana ny entana

Ora hanaterana ny entana

Veuillez selectionner l'heure s'il vous plait!

Ny mombamomba anao

Le champ nom ne peut pas être vide.
Le champ prénoms ne peut pas être vide.
Le champ téléphone ne peut pas être vide. Le numéros téléphone est invalid

Naoty (Tsy voatery)

ny fepetra akapobeny momba ny varotra
Tsy maintsy mamaky sy manaiky ny fepetra akapobeny momba ny varotra ianao
4 desambra 2021

Dîner caritatif
à 8 mains

Fampitam-baovao

Sakafo hariva miavaka ao anatin’ny fifalian’ny Noely

Mankalaza ny Noely amin’ny alalan’ny sakafo hariva entina hanasoavana toby fitaizana zaza kamboty telo eto an-dRenivohitra… Izany hevitra izany no nanainga sy nampitambatra ny Marais Restaurant, ny Rova Caviar Madagascar, ary ny Sefo mpahandro matihanina efatra.

Hetsika miavaka, araka izany, no natao tao amin’ny Marais Restaurant ny Sabotsy 4 desambra 2021. Nivahiny tao amin’ny Chef Lalaina Ravelomanana i Chefs Aurélien Largeau, Christophe Chiavola sy Sébastien Brette, niara-nikononkonona sakafo hariva tsy manam-paharoa nifandrombonan-tanam-balo.

Mampiavaka an’i Aurélien Largeau, izay sefo mpahandro matihanina ao amin’ny Palais de Biarritz, ny nahandro maoderina sy tsy fahita firy, manana ny mampiavaka azy manokana. Nandrombaka ny Jeune Talent 2019 Gault et Millau izy, ary hahalalan’ny maro azy ny fahaizany misafidy ny vokatra ampiasainy izay tena mahasarotiny azy tokoa, ny fanajany ny natiora, ary ny fifehezany tanteraka ny asa famoronana.

I Christophe Chiavola kosa dia Tale Mpanatanteraka ao amin’ny vondrona SRP, ary vao tsy ela izy no nahazo ny mari-pankasitrahana “Etoile Michelin ». Mampiavaka azy ny fampiasana vokatra natoraly sy tsy mifangaro mba hanaovana haify matsiro sy ara-pahasalamana. Ohatra sy fitaratra amin’ny fanaovana haify miaro ny tontolo iainana izy, ary faniriany ny hahazo ny kintana maitso (Etoile verte), izay mari-pankasitrahana ny ezaka fikajiana ny tontolo iainana ho an’ireo toeram-pisakafoana.

I Chef Sébastien Brette kosa dia tena manan-talenta amin’ny fampivadiana ny nentim-paharazana sy ny maoderina, ary mampiavaka azy manokana ny fahaizany manandratra ny vokatra miavaky ny taniny. Isan’ireo mpifanandrina farany tamin’ny fifaninanana Bocuse d’Or tamin’ny taona 2017 izy, ary nampisongadina azy manokana ny fahafehezany tanteraka ireo singa mandrafitra ny haify frantsay.

Ary farany, i Chef Lalaina Ravelomanana, izay nandray ity sakafo hariva tsy manam-paharoa ity, no sefo mpahandro matihanina fanta-daza indrindra eto Madagasikara, ary izy no Mpahandro matihanina afrikanina voalohany voaantso hanatevin-daharana ny Akademia fanta-daza Frantsay momba ny hainahandro (Académie Culinaire de France). Hainy tsara ny mitondra ireo vahininy mitety ny tontolon’ny nahandro haingitraingitry ny haify sy ny vokatra Malagasy sy Frantsay.

Amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao, ary entanin’ny finiavana hitondra fiovàna dia namondrona hery ireo sefo mpahandro matihanina, ny Marais Restaurant ary ny Trano Rova Caviar Madagascar, nanandratra avo ny haify ho an’ny tombontsoan’ireo ankizy tena sahirana eto Antananarivo, amin’ny alalan’ny hetsika « Noely ho an’ny rehetra ».

Nahazoana nanangona vola ho an’ity tetikasa ity ny famandrihan-toerana ho an’ny sakafo hariva hifandrombonan-tanam-balo izay nokarakaraina manokana ho an’ny hetsika, sy ny fanaovana lavanty ireo vokatra Rova Caviar. Vokatry ny fanomezana marobe avy amin’ireo malala-tanana dia tratra ary nihoatra lavitra ny tanjona ny vola voaangona. Araka izany, nisy ny fanomezana mofomamin’ny noely (bûches de Noël) ho an’ireo ankizy 16 000 mahery tao amin’ny toby fitaizana zaza kambotin’ny Akamasoa, Abélaide sy Tsimoka. Ary ho fanampin’izay dia nanome toky koa ny Trano Rova Caviar fa hanampy ireo toby ireo amin’ny tetikasa izay ataony.

Nahafaly ireo vahiny nasaina ny niaina ity hetsika miavaka sy mitsinjo ny hafa ity. Tsy diso fanantenana ireo vahiny sy mpandray anjara tamin’ity sakafo hariva miavaka ity satria nahita sy namantatra tsiro vaovao tsy manam-paharoa, no sady niara-niaina fotoana fifampizarana, tao anaty fahatsoram-po sy fahafoizan-tena mandritra ny vanim-potoanan’ny fety.

Fisaorana mitafotafo no atolotra an’i Chefs Aurélien Largeau, Christophe Chiavola sy Sebastien Brette tamin’ny fahatongavan’izy ireo teto Madagasikara, ary tolorana fisaorana feno koa ireo rehetra izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka iny sakafo hariva nentina nanaovana asa soa iny.

Hijery horonan-tsary