Marais

  • Daty sy ora
  • IREO SAKAFO SAFIDINAO
  • Ny mombamomba anao

Hetsika ato ho ato

Daty

Misafidiana daty

Ora

Ora

Misafidiana ora

Isan'ny toerana fandrihana

Ampidiro ny isan'ny toerana fandrihana
Latsaky ny 10 ny isan'ny toerana azo fandrihana

Saran'ny fananterana ny sakafo: 10.000 Ariary

Maimaim-poana ny saran'ny fananterana ny sakafo raha mihoatra ny 100.000 ariary ny sakafo hafaranao.

Daty

Veuillez choisir une date s'il vous plait!

Ora hanaterana ny entana

Ora hanaterana ny entana

Veuillez selectionner l'heure s'il vous plait!

Ny mombamomba anao

Le champ nom ne peut pas être vide.
Le champ prénoms ne peut pas être vide.
Le champ téléphone ne peut pas être vide. Le numéros téléphone est invalid

Naoty (Tsy voatery)

ny fepetra akapobeny momba ny varotra
Tsy maintsy mamaky sy manaiky ny fepetra akapobeny momba ny varotra ianao
Ny 23 ka hatramin’ny 27 septambra 2021

Sirha Lyon 2021

Fampitam-baovao

Ny SIRHA Lyon, tsenabe tsy azo idovirana ho an’ireo mpisehatra ao anatin’ny tontolon’ny sakafo.

Nanoratra pejy vaovao teo amin’ny tantarany indray ny Trano Rova Caviar Madagascar nandritra ny volana septambra 2021, tany amin’ny toerana tsy lavitra an’i Lyon. Tafiditra tao anatin’ny fandraisany anjara tamin’ny andiany faha-20 amin’ny SIRHA Lyon, izay fotoana ifanomezan’ireo matihanina rehetra eo amin’ny sehatry ny haify sy ny fandraisam-bahiny, dia nihanoka dimy andro, feno fihetanam-po, ny Rova Caviar ; fotoana manokana izay nihaonana, nifampizarana fitiavana iraisana, ary nifanakalozana haify isan’ny feno haingitraingitra indrindra.

Topi-maso sy fifanakalozana tao anaty hafanam-po no nandravaka ny fotoana nifampizarana nandritra ity tsenabe notontosaina tao anaty firahalahiana tanteraka ity. Fotoana tena miavaka izay nahafahan’ny Rova Caviar Madagascar nizara tamin’ireo andrarezin’ny haify frantsay sy maneran-tany ny fitiavany ireo vokatra tsy manam-paharoa. Namela hafatra tao anatin’ny boky volamenan’ny Trano Rova Caviar ireo sefo kalaza mpahandro matihanina toy an’i Alain Alexanian, Christophe Marguin, Maroun Chedid sy ireo maro hafa.

Mba hitondrana fanentanana nandritra ny tsenabe sy mba hampidirana ireo mpitsidika ao anatin’ny tontolon’ny Trano Rova Caviar Madagascar dia tolotra samihafa no naroso ny olona tamin’ny fanandramana ny kaviara. Teo ambany fitarihana sy ny fahaizamanaon’i Chef Lalaina, izay ambasadaoron’ny Trano Rova Caviar, ary niaraka tamin’ny fanontronan’ireo mpiara-miasa toa an’i Chefs Emmanuel Perrodin, Irwin Durand, Christophe Geoffroy, Christophe Chiavola, Patrice Noël, Sébastien Brette, Fréderic Jaunault, Jean-Marc Bouchet, Sébastien sy Nadine Gaillard, dia nomena fahafaham-po tamin’ny karazan-tsiro mamy sy masira, izay noravahan’ny fampisehoana nahandro, ireo mpitsidika nandritra ny faharetan’ny tsenabe manontolo. Ary farany dia nomena handraman’ireo mpitsidika koa ny vatosoan’ny Rova Caviar, nampiarahina tamin’ny zava-pisotro misy alikaola sy miavaka toy ny Vodka Béluga ho an’ny fanandramana amin’ny fomba rosianina, ny Champagne Deutz ho an’ny fanandramana amin’ny fomba frantsay, ny cognac Louis XIII ho an’ny fanandramana manaitra ny vatana manontolo, ary ny thé Dammann Frères ho an’ny fanandramana miharo hanitra malefaka. Samy nahazo ny anjarany sy afa-po tamin’ireo zava-baovao natolotra na ireo vao sambany namantatra ny tontolon’ny kaviara na ireo izay efa mpankafy sy mahafantatra tsara ny vokatra.

Faniriana ny hampisongadina an’i Madagasikara sy ny vokatry ny taniny ka nanararaotra io fotoana io koa ny Trano Rova Caviar nampahafantatra ireo karazan-tsiro samihafa tamin’ny alalan’ireo karazana hanitra, izay tena mampiavaka sy hahafantarana ny vokatra Malagasy, raha tsy hilaza afa-tsy ny lavanila Pompona izay tsy manam-paharoa, sy ny hanitra malefaky ny hazo amin’ny dipoavatra dia.

Fisaorana mitafotafo no atolotra ireo mpitsidika rehetra, ny Chef izay ambasadaoronay, ary ireo mpiara-miasa rehetra tamin’ny fanatontosana iny hetsika nahafantarana ny Trano Rova Caviar Madagascar iny.

Hijery horonan-tsary