Marais

  • Daty sy ora
  • IREO SAKAFO SAFIDINAO
  • Ny mombamomba anao

Hetsika ato ho ato

Daty

Misafidiana daty

Ora

Ora

Misafidiana ora

Isan'ny toerana fandrihana

Ampidiro ny isan'ny toerana fandrihana
Latsaky ny 10 ny isan'ny toerana azo fandrihana

Saran'ny fananterana ny sakafo: 10.000 Ariary

Maimaim-poana ny saran'ny fananterana ny sakafo raha mihoatra ny 100.000 ariary ny sakafo hafaranao.

Daty

Veuillez choisir une date s'il vous plait!

Ora hanaterana ny entana

Ora hanaterana ny entana

Veuillez selectionner l'heure s'il vous plait!

Ny mombamomba anao

Le champ nom ne peut pas être vide.
Le champ prénoms ne peut pas être vide.
Le champ téléphone ne peut pas être vide. Le numéros téléphone est invalid

Naoty (Tsy voatery)

ny fepetra akapobeny momba ny varotra
Tsy maintsy mamaky sy manaiky ny fepetra akapobeny momba ny varotra ianao

Fampitam-baovao

Fihaonana tsy nampoizina eo amin’ny sehatry ny haify

Tantara miavaka no niseho tao amin’ny Marais Restaurant ao Antananarivo, Madagasikara, ny Alarobia 3 marsa 2021. An-kafaliana lehibe tokoa mantsy no nikarakaran’i Lalaina Ravelomanana, Sefo mpahandro matihanina ao an-toerana, sakafo hariva hifandrombonan-tanana enina, niaraka tamin’i Mathieu Pérou, Sefo mpahandro matihanina ao amin’ny Manoir de la Régate ao Nantes, isan’ny “étoile Michelin” (boky torolalan’ny orinasa Michelin ahitana ireo trano fisakafoana tena tsara indrindra) sy nahazo ny mari-pankasitrahana “étoile verte” (amin’ny fanarahany ny fenitra etika sy momba ny tontolo iainana), sy i Irwin Durand, Sefo mpahandro matihanin’ny trano fisakafoana Chiberta by Guy Savoy ao Paris, izay isan’ny “étoile Michelin” ihany koa.

Hatramin’ny nisokafany tamin’ny taona 2019 dia tena lasa reharehan’i Madagasikara ny Marais Restaurant, izay trano fisakafoana voalohany manandratra avo ny haify. Mifampitafa ao amin’ity toerana tsy manam-paharoa ity ny haify frantsay sy ny haren’ny vokatra Malagasy. Fanamby tsy manam-paharoa mifototra amin’ny maha-olona izy ity, ary safidin’i Lalaina manokana ny hanome lanja ireo mpamokatra eto an-toerana sy hanome fiofanana momba ny hainahandro miavaka ho an’ireo izay tena liana sy mankafy izany. Lakozia misokatra ho hitan’ny rehetra rahateo ny lakozian’ny Marais Restaurant satria tsy misy ny afenina ary fifampizarana no tanjona.

Samy olona be herim-po sy mikatsaka ny tsara indrindra hatrany raha ireo Sefo mpahandro matihanina 3 ireo, ary nentanin’ny fitiavana ny hainahandro ka samy naneho ny maha-izy azy ny haifiny tamin’ny alalan’ny famoronana tolotsakafo (menu) nahitana kazaran-tsakafo 7 izay samy nanindrahindra ny fifamatorana tsy manam-paharoa eo amin’ny vokatra frantsay sy malagasy ary ny Rova Caviar Madagascar.

Isan’ny hita tao anatin’izany tolotsakafo izany ny « mousseline d’esturgeons et son bouillon de zébu infusé au combava » izay nampiarahina tamin’ny Rova Caviar, ny « thon mariné et crémeux de chèvre aux poivres tsimperifery et sa pomme granny et radis Daïkon Gel pickles gingembre », ary ny « suprême de canard cuit à basse température agrémenté de sa mousseline de betterave et d’un jus de cuisson infusé à l’hibiscus »

Teo amin’ny mamimamy kosa dia nahasarika sy nambabo tanteraka ireo mpankafy sakafo ny « granité de coriandre citron vert et son émulsion de fromage blanc » nampiarahina tamin’ny « meringue au citron vert ».

Rova Caviar Madagascar no vokatra caviar voalohany avy aty Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana. Ho an’i Sefo Lalaina manokana dia tena reharehany ny fikirakirana sy fikarakarana ity vokatra tsy fahita andavanandro ity; ny fahafahany mikaroka sy mamolavola ny fomba hampirantiana sy hanehoana azy; mamoaka sy tsy manimba ilay tsirony sy hani-dranomasina misy iôda ao aminy; ary mampisongadina ny fipoahan’ireo voany sy ny faharetan’ny tsirony am-bava…

Ravo aok’izany ireo olona nasaina nihaina ity fotoana miavaka sy tsy fahita firy ity; tsy nisy fetrany ny asa famoronana ary vaovao tsy manam-paharoa ireo tsiro nifampizarana.

Fisaorana mitafotafo no atolotra an’i Sefo Irwin Durand sy Mathieu Pérou izay tonga teto Madagasikara tamin’io fotoana io, satria izy ireo no isan’ny angady nananana sy vy nahitana ity sakafo hariva hifandrombonan-tanana enina ity.

Hijery horonan-tsary